Psalms 83

Fitarainana noho ny nikambanan’ ny firenena maro hamely ny Isiraely

Tonon-kira. Salamo nataon’ i Asafa.

1

2Andriamanitra ô, aza mangìna; aza mihombom-bava Hianao, ary aza mamitsaka, Andriamanitra ô. 3Fa, indro, mitabataba ny fahavalonao; ary izay mankahala Anao dia manandratra ny lohany. 4Ny olonao no iokoany amin’ ny hafetsena; ary miara-misaina hamely izay voafinao izy. 5Hoy izy: Avia, ka andeha hofongorantsika tsy ho firenena izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anaran’ Isiraely. 6Fa efa niray tetika tokoa ireo, ka nanao fanekena hanohitra Anao, 7Dia ny lain’ ny Edomita sy ny Isimaelita, ny Moabita sy ny Hagarita, 8Ny Gebalita sy ny Amonita ary ny Amalekita, ny Filistina mbamin’ ny mponina any Tyro. 9Ny Asyriana koa nikambana taminy; tonga sandrin’ ny taranak’ i Lota ireo. [Sela.] 10Ataovy tahaka ny Midiana izy, ary tahaka an’ i Sisera sy Jabina teo amin’ ny ony Kisona; 11Maty tany En-dora ireo; tonga zeziky ny tany izy. 12Ataovy tahaka an’ i Oreba sy Zeba ny mpanapaka azy. Eny, ny andrianany rehetra dia ataovy tahaka an’ i Zebaha sy Zaimona, 13Izay nanao hoe: aoka halaintsika ho antsika ny fonenan’ Andriamanitra. 14Andriamanitro ô, ataovy tahaka ny tadio ireo, dia tahaka ny akofa entin’ ny rivotra, 15Tahaka ny afo mandoro ala sy tahaka ny lelafo mampirehitra tendrombohitra; 16Aoka ho toy izany no anafotofotoanao azy amin’ ny tadionao, sy ampahatahoranao azy amin’ ny tafio-drivotrao. 17Sarony henatra ny tavany, mba hitadiavany ny anaranao, Jehovah ô. 18Aoka ho menatra sy ho amin-tahotra mandrakizay izy; eny, aoka hangaihay sy haringana izy. 19Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no ilay Avo Indrindra ambonin’ ny tany rehetra.
Copyright information for Mg1865